Ny teny diso tsy mba kabary

Nampidirin'i tsamisara | 21 Apr, 2009

Salama daholo !

Fanaon'ny olona rehefa mandray fitenenana ka tsy te handany fotoana no avy hatrany dia miteny : "Ady vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voamasony no potsirina".

Andao aloha hojerena hoe inona no atao hoe vomanga ?

Zavamaniry izy io : samy fihinana daholo na ny raviny na ny vodiny. Ny raviny dia atao ro na atao ritra na atao fangaro-ndaoka. Ny vodiny dia andrahoina toy ny mangahazo na endasina.

Ny tahony kosa no ambolena. Ka tsy hitako raha izaho manokana izay misy voamasony amin'izany rehetra izany.

Fa misy milaza ity tantara ity :

Fahiny hono dia nisy omby roa nalaza ka Ikirijavola ny iray ary ny faharoa dia i Ivomanga (izany hoe ny volon'omby (na ny lokon'omby ho an'izay tsy mahalala) dia manga ny eo anivo (eo ampovoany no dikan'izany anivo izany)).

Izy roa lahy ireo dia baka ny tandrony (mahalala ny atao hoe tandroka baka daholo ?) sady mahay miady be izy ireo no fetsy be fa raha vao miady dia ny voamason'izay miady aminy no kendreny voalohany ka avy hatrany dia poa maso ny andaniny ka mora ho azy ny mandresy.

Dia raikitra ny fiteny hoe : "Tahaka ny adin'i Ivomanga sy Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voamasony no potsirina".

Dia izay fitenenana izay no nivadika taty aoriana. Azo atao dia azo atao ny mihevitra fa mitombina izany fitantarana izany.

Mpikambana amina antoko politika iray (irony ilay efa maherin'ny 20 taona irony) no nitantara izany tamiko ka mba tantaraiko eto koa.

Ny teny Malagasy izany eo andalampanorenana azy isika ary raha dinihina aza dia eo ampikarohana ny valin'ny fanontaniana hoe : "Inona no atao hoe teny Malagasy ?" isika amin'izao fotoana (efa ho 40 taona nahaleo tena !!!!!). Raha tsy izany ve hoy ianao dia hiteraka resabe ohatra ireny ny FANAGASIANA ny fampianarana ? Nisy tsy nanaraka mihitsy aza ilay fandaharampianarana.

Isika Malagasy izay toa manadino fa iray ihany isika ka tokony ho sarotiny amin'ny tenintsika isika.

Sa ahoana hoy ianao ? 

 

Ny teny malagasy

Nampidirin'i tsamisara | 1 Apr, 2009
Normal 0 21 false false false MicrosoftInternetExplorer4

Miarahaba antsika daholo.

Alohan’ny resaka aloha dia tiako ny mampahafantatra fa efa navoakako tao amin’ny forum iray izay an’ny fournisseur d’accès iray teto antoerana ity lahatsoratra ity fa voafafa. Noho izany dia nisy ny fanovàna nataoko mba ho azo aseho vahoaka ilay lahatsoratra ary koa mba tsy hitarika resaka betsaka.

Koa raha misy mikasa haneho hevitra eto dia iangaviana mba handanjalanja izay hosoratana fa sao miteraka fahasahiranana.

Ny tiako holazaina dia mikasika ny teny Malagasy.

Mila mitandrina isika Malagasy fa mifangaroharo ny teny eran’ny Nosintsika.

Raha mankao atsimon’Antananarivo ianao dia hahita ny tanàn’i Bongatsara.

Ao andrefana ihany koa dia misy ny faritr’i Bongolava.

Ny manahirana dia ity : raha mandeha any Marolambo ianao ka mianatsimo dia tonga ao Androrangavola, tohizo ihany ny làlanao fa ho tonga ao Sahakevo ianao ary hipaka hatrany Ambodinonoka.

Betsimisaraka ny olona any amin’iny faritra iny. Ny manahirana dia ity, ireo anarana tanàna sy anarana faritra nolazaiko etsy ambony (Bongatsara sy Bongolava) dia misy teny izay tsy fampiseho masoandro any amin’iny faritra iny.

Tohizako ny resaka. Any Diégo ka hatrany Nosy-Be dia tsy fiteny ny hoe « voatabia » fa tomate no lazaina.

Tohizantsika ihany ny resaka. Misy ny labiera lite vokarin’ny STAR Madagascar. Betsaka anefa ny mamaky izany hoe « lite » izany amin’ny teny Malagasy tsotsotra fotsiny izao ka lasa any amin’ny faritr’i Morondava avy hatrany ny fisainana. Ny fahenoana ny teny hoe « lite » vakiana amin’ny teny Malagasy dia manahirana ny olona any amin’iny faritra iny satria mivantana be amina teny iray izay tsy fampiseho masoandro any amin’iny faritra iny.

Farany, misy ny milaza fa ny atao hoe voasary dia samy hafa ny dikany raha eto Antananarivo sy any amin’ny faritr’i Toamasina.

Ka hoy aho hoe tokony hasiana fanatsarana ny fomba fifandraisana (communication) eto Madagasikara, indrindra indrindra amin’ireo fitaovampifandraisana (radio, TV) mahasarona faritra sao dia sanatria miteraka zavatra manahirana, enga anie tsy hisy izany.

Ohatra omeko, eo amin’ny sehatry ady amin’ny aretina antsoina hoe SIDA, betsaka dia betsaka ny Malagasy (indrindra amin’ny faritra ambanivohitra) no sahirana dia sahirana maheno ireo voambolana ampiasaina amin’izany karazana fampielezankevitra izany satria mivantambatana be loatra.

Nosoratako ity lahatsoratra ity satria heveriko fa isan’ny zavatra tokony harenina izany indrindra amin’izao andalovan’ny firenena malalantsika fotoantsarotra izao.

Ny teny mantsy manana ny heriny hoy izay Malagasy mpanabe iray izay.

Sa ahoana hoy ianao ?

Ny Malagasy sy ny fivavahana

Nampidirin'i tsamisara | 30 Mar, 2009

Miarahaba antsika rehetra,

Ela tsy nanoratra noho ny antony maro fa ity no mahalasa ny saiko.

Malagasy tsotra aho ary tsy mpomba an'Ingahy Ravalomanana fa ity no mba tiako holazaina. Navoaka ho hitan'ny haino amanjery (ary avy eo nodorana) ireo fitaovana noheverina fa nampiasainy tamin'ny fivavahana izay narahiny.

Izay fifandraisany amin'ny fiangonana FJKM aloha tsy anjarako izany. Fa izy dia avy hatrany dia nolazaina hoe "mpanompo sampy". Fa angaha moa tsy zony (son droit) ny manaraka izay fivavahana heveriny fa mety aminy na dia Président aza izy ? Koa ahoana izany raha Musulman na koa Bouddhiste ny Président voafidy tamin'ny fifidianana aradalàna ?

Voalohany aloha zony izany. Faharoa : inona marina no atao hoe manompo sampy ? Rehefa tena hita ny dikan'ny atao hoe manompo sampy, firy amin'ny Malagasy no tsy manompo sampy ? Firy amin'ny Malagasy no mbola tsy nanatona mpanandro mihitsy ? Sa tsy manompo sampy ny manatona mpanandro  sy mpisikidy ? Ny famadihana ve fanompoantsampy ? Ny joro, ny fitampoha, ny alahamadibe, ny tromba : inona no filaza an'ireny ?

Betsaka mantsy ny milaza hoe Kristianina (sa Kristiana ?) ny Malagasy. Ka iza izany ny Malagasy tena kristiana marina ? Ny fantatro dia izao :

Betsaka dia betsaka ny Malagasy no misabaka, izany hoe, sady manaraka ny fombandrazana (atao miafina dia miafina) dia sady mandeha any ampiangonana koa kanefa ilay zavatra atao miafina dia enjehin'ilay Ray amandreny ampiangonana mafy dia mafy. Ka inona no dikan'izany : zavatra enjehina any ampiangonana mafy dia mafy nefa atao amin'ny fomba miafina dia miafina. Tsy ohatra ny mandainga amin'ny tenany ve ny ankamaroan'ny Malagasy ?

Io no zavatra iray tsy mety amin'ny fiainana eto amintsika. Ny zavatra lazaina eo imasombahoaka tsy iainana hatrany amin'ny aty fanahy. Hita soritra amin'ny lafiny maro eo amin'ny fiainana andavanandro izany.

Tsy manao corruption nefa manao izany amin'ny fomba miafina.

Milaza ho tia tanindrazana nefa ny tombontsoan'ny tena sy ny fianakaviana aloha no jerena vao manaraka ny sisa rehetra.

Betsaka ny zavatra azo tenenina eto atao ohatra fa izao no hevitro : TSY HANDROSO MIHITSY ISIKA RAHA TSY NY FOMBA FIAINANTSIKA ANY AMIN'NY FOTONY NO OVANA.

Tsiranana asolo Ramanantsoa, Ratsimandrava asolo Ratsiraka, izao indray lasa Ravalomanana (izay milaza ny mbola hiverina) dia tonga Rajoelina.

Raha tsy isika vahoaka no miova, tsy hisy fahagagana eto. Ka noho izany dia tokony holazaina ampahibemaso izay fantatrao fa mety aminao.

Kristianina, hajaina amin'ny maha kristianina anao ianao.

Mpandala ny nentindrazana, hajaina amin'izany ianao.

Fa aoka ny kristianina tsy hanenjika, hanaratsy ary hanambany izay manaraka ny finoana nentindrazana. Ekena fa misy ny fomba tokony ialàna satria hita mibaribary ny tsy maha mety azy. Fa izany ve midika hoe tokony hariana daholo izy rehetra ?

Ny antony ? Lasa mahamenatra sy manala baraka ny manaraka ny nentindrazana dia afenina dia avy eo lasa mankany ampiangonana mba ho hitan'ny olona hoe manaraka fivavahana mihaja.

Tsoriko fa betsaka dia betsaka ny Malagasy no misabaka ohatra izany. Tokony hanomboka avy eo ny fiovana amintsika fa raha tsy izany dia mbola ho ela isika vao afaka hilahatra amin'ny Japoney (izay voalaza fa vahoaka lalintsaina indrindra (le peuple le plus intelligent du monde) eto antany).

Hamaranako azy dia izao : tokony hampidirina amin'ny Concertation nationale ny atao hoe : "INONA NO MAHA MALAGASY ? IZA NO ATAO HOE MALAGASY ?"

Misaotra Tompoko.

 

Faran'ny taona Malagasy

Nampidirin'i tsamisara | 21 Des, 2008

Hiverina hanoratra indray aho.

Tsoriko fa nisy forum iray izay (tsy tononiko anarana) eto Dago nametrahako lahatsoratra betsaka kanefa voafafa hatrany izay nosoratako.

Fa ity no mahalasa saina aho : moa ve raha misy tsy tia izay zavatra lazaina eto amin'ny serasera, moa ve misy afaka manaraka anao (ka ho voasambotry ny polisy ianao) raha ny solon'anarana fotsiny no eto ?

Ohatra ny zavatra misy any amindry zareo sinoa, raha vao manoratra zavatra tsy tian'ny fanjakana dia tsy maintsy tratra ianao. Manahy aho hoe mety hisy izany aty Madagasikara.

Fantatra aloha fa efa misy (efa hatry ny ela) ny écoute téléphonique fa eo amin'ny sehatry ny tranonkala, mety hisy ve izany ? Sa efa tena misy ? Manjaka mantsy izao ny tahotra eto Madagasikara ary toa latsaka ambany ny DGID tamin'ny andro-ndry RAVELOSON Mahasampo.

Tena hita tokoa fa ny zavatra vita (ny tsara sy ny ratsy koa) nandritra ny roapolo taona mahery tamin'ny fitondrana teo aloha dia tsy misy dikany raha oharina amin'ny dimy taona vitan'ny fitondrana ankehitriny.

Fa na izany aza dia hanoratra aho na dia tsy mpanoratra aza.

Mandrapihaona ary samia ho tahin'ANDRIAMANITRA.

 

 

 

 

 

 

Madagasikara sy ny mondialisation

Nampidirin'i tsamisara | 3 Nov, 2007

Misy fihetsika mitovy ataon'ny filoha Ravalomanana sy ny filoha Sarkozy : tsy inona izany fa ny fampidirana bebe kokoa ny firenena roa tonta hifandray misimisy kokoa ami-ndry zareo antsoina hoe anglophones. Efa iaraha-mahalala ny zavatra efa nataon'ny filoha Ravalomanana mikasika io resaka io. Vao farany teo dia nialany ny ASECNA.

Ary ny filoha Sarkozy, nony tonga teo amin'ny fitondrana izy dia nolanian'ny firenena frantsay ny "Protocole de Londres" izay nosakanan'ny filoha Chirac hatrany hatrany fony izy teo amin'ny fitondrana. Ohatra iray ihany iny fa iaraha-mahalala fa misy programa vaovao mihintsy izao any frantsa mikasika ny fampianarana ny teny anglisy. 

Misy itovizany izany rehetra izany : samy te hiditra bebe kokoa hatrany ao amin'ny antsoina hoe "mondialisation".

Fa inona ny tena zavatra mitranga eto Madagasikara ? Tratra aoriana lavitra dia lavitra isika. Farany teo tamin'ny jeux des Iles, nanao ahoana ny vokatrin'ny taranja lomano ? Ny dobo filomanosana sy ny "chronométrage manuel" aloha dia nahazoana fanakianana mavaivay avy amin'ny RFI. Fa angaha moa hanao izay mahafa-po ny RFI no tsy maintsy ataon'ny Malagasy ? Na izany aza ...

Ny vokatra, aoka tsy holazaina intsony. Ohatra iray iny. Ary eo amin'ny Rugby mba ahoana ? Sahiko ny milaza fa isan'ny antony tsy mahatafita ny gasy ny tsy fahampiantsakafo. Sa ny mpilalaontsika mihinana sakafo mitovy lenta amin'ny andry zareo "All blacks" ? Ary aoka tsy holazaina ny taranja hafa.

Tsy ny fanatanjahantena ihany fa na eo amin'ny fivoaran'ny tanàna aza. Tsy misy drafitra maty paika ny fanaovana trano eto amintsika. Izay mana-mbola dia manorina dia vita kabary. Tsy misy plan d'urbanisation mihintsy. Tsy misy olona mahay izany ve ohatra ao amin'ny Commune urbaine d'Antananarivo ? Sa ahoana ? Jereo ange e ! Tanisao amiko ny renivohitra eto amin'ny Océan Indien ? Nairobi, Dar-es-Salam, St Denis, Port Louis, Durban, Maputo, Antananarivo. Izany akory tsy miteny hoe paradisa ny any amin'ny toera-nkafa. Fa na izany aza. Ny fanariana rano maloto ohatra dia tsy maharaka ny fitombon'ny mponina ny eto Antananarivo. Mino aho fa isan'ny antony nialan'ny Hilton teto Antananarivo ny momba ny ranon'anosy. Raha ny fitadidiako ohatra dia tamin'ny taona 1976 no nisy pelle mécanique nanadio farany ny canal d'Andriantany mamakivaky ny tanànan'Antananarivo.%2

Fiainana ankehitriny

Nampidirin'i tsamisara | 24 Sep, 2007

Ho antsika Malagasy !

Kristianina ve isika sa mpandala ny nenti-ndrazana ? Iza no manana valiny mahafapo amin'io fanontaniana io ? Satria hitako fa ny tsy fisian'ny valiny mahafapo amin'io fanontaniana io no mahatonga ny fahoriantsika amin'izao fotoana izao.

Ohatra akaiky : raha misy fahoriana, aiza isika no handevina ? Any amin'ny fasa-ndrazana no valiny mahazatra. Ka moa ve ny fasa-ndrazana malagasy mifanaraka amin'ny fivavahana kristianina ? Na dia tsy nijery mpanandro aza ianao tamin'ny andro fandevenana. Na dia tsy mamadika aza ianao. Na dia tsy mitandro andro fady aza. Inona ny zavatra mitranga ?

Eto dia deraiko manokana ny fiangonana Jesosy Mamonjy (tsoriko aloha fa tsy kristianina ny tenako). Ny azy ireo dia mazava ny fomba atao : alevina tsotra fotsiny ny razana dia vita. Tsy misy mpanandro, tsy misy famadihana, tsy misy fankalazana ny 1er novembre.

Ny fidiranao ao amin'ny fasa-ndrazana ka ahitanao ireo faty efa maina ka manjary mahatonga ny fanirinao hamono lamba azy ireo dia tsoriko fa tsy araka ny fivavahana kristianina na dia tsy mahay baiboly aza ny tenako. Raha misy afaka mandà izany dia angatahina izy hamosaka ny heviny eto.

Ohatra iray fotsiny iny noraisiko iny fa betsaka ny Malagasy ankehitriny no mpampifangaro ny zavatra tsy tokony hifangaro ka izany araka ny hevitro no mahatonga antsika iharan'izao fahantrana tsy roa amantany izao. Tsy fantatry ny Malagasy ny tena maha izy azy ankehitriny ka mahatonga azy hanaonao foana. Dia izao no vokany.

Amin'ny manaraka tohizako.

Misaotra indrindra.

Tonga soa tsamisara!

Nampidirin'i tsamisara | 24 Sep, 2007
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.